Chapter 13 : Verse 1
Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.